<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Richardson</author>
<hymn_number>689</hymn_number>
<title>Fandalovana aty, lanitra honenako FFPM689</title>
<lyrics>[V1]
 Fandalovana atý,
 Lanitra honenako ;
 Efitra izao tany izao,
 Lanitra honenako ;
 Voahodidin-doza atý,
 Reraka ao an-dalana,
 Valaka sy sasatra ;
 Lanitra honenako.

[V2]
 Na mandrivotra aza atý,
 Lanitra honenako ;
 Tany no hilaozako,
 Lanitra honenako ;
 Alon-dranomasina
 Sy ny rian-drano be
 Tsy hisakan-dalana ;
 Lanitra honenako.

[V3]
 Ao an-tratran'i Jeso,
 Lanitra honenako ;
 Afa-pahoriana
 Lanitra honenako ;
 Ao ny olo-masina
 Izay mba tiako tatý,
 Faly raha hitako ;
 Lanitra honenako.

[V4]
 Dia tsy halahelo aho,
 Lanitra honenako ;
 Mafy ny manjo atý,
 Lanitra honenako ;
 Ao no hitoerako
 Faly anatrehan-dRay,
 Ao homeny toerana ;
 Lanitra honenako.</lyrics>
</song>